KAOMININA AMPITATAFIKA: Benatitra sy sahirana 700 nozaraina fanomezana.

Beantitra sy sahirana miisa 700 ao amin’ny kaominina Ampitatafika nahazo vatsy iantrehana  ny fety krismasy sy  ny farany taona. Hetsika ho fahatsiarovana ireo sahirana ao anatin’ny fokontany telo ambiny’ny folo mandrafitra kaominina izy ity. “Efa nandritra ny valo taona nitondrako ny kaominina, nanolon-tanana ireo tokony hampiana foana  ny tenako sy ny mpiara-miasa amiko”, hoy ny Ben’ny Tanana, Rado RAMPARAOELINA.  Niavaka ny asa sosialy tamin’ity indray mitoraka ity satria tsy ny kaominina irery ihany no  nanome vary, siramamy, menaka… fa nitondra ny anjara birikiny ireo malala-tanana eny amin’ny kaominina toy ny fiangonana, fikambanana mpanao asa soa, orinasa, sekoly, olon-tsotra…Etsy ankilany, nampotomboana ireo  isan’ny mpisitrika ny fanomezana.

Miara-miasa amin’ny andrim-panjakana rehetra, tsy manavaka firehana politika. Nanampy ny kaominina tamin’ny fanatontosana ny hetsika omaly faha- 22 desambra 2016 ny filohan’ny Antenimierampirenena, ny mpanolontsaina ao amin’ny Antenimierandoholona…Nambaran’ny Ben’ny Tanana an’Ampitatafika hatrany fa na dia ny antoko TIM aza  no nahalany azy, tsy misakana ny fifandraisany amin’ireo mpifaninana mijoro amin’ny foto-kevitra hafa izany. “Asakasak’izay mihevitra  ny hisompatra  fa ny fampandehanana ny kaominina amin’izao fotoana izao efa mizotra any amin’ny fanatanterahana ny vina, nampanantenaina ny vahoaka tamin’ny  fampielezan-kevitra”.