Taom-pandresena ny taona 2014 ho an’ny Kaominina Ampitatafika. Maro ireo foto-drafitra asa vita na dia ny 5 millions d’Ariary amin’ny 12 millions d’Ariary amin’ny tetibolam-panjakana aza no mbola azo. Ny fahavitan’ny lalana mirefy 4km, ny tsena vaovao misy rihana eny an-toerana dia manamporofo fa mandroso ny kaominina.Manamarina izany fandresena izany ihany koa ny fitomboan’ny tokantrano voarakitry ny jiro miisa 44. Ireo no vita dia vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny mpamatsy vola avy any ivelany. Vola mitentina 900 millions d’Ariary no azo tamin’izany.
Tratra tokoa ny tanjona napetraky ny kaominina tamin’ity taona ity satria efa voaefa ny volan’ny CNAPS izay tokony ho amin’ny volana janoary 2015 no haloa. Etsy andaniny, voaloa ihany koa ny karaman’ny mpiasa « 13ème mois ».
Nomena 1 milloins d’Ariary ihany koa ny fokontany 13 ho fampandrosoana sy hanatanterahana ny tetikasa isam-pokontany.
Anisany nahazo solosaina roa miaraka amin’ny kojakojany tany amin’ny « Ile de La Réunion » amin’ireo kaominina 10 eto Madagasikara nykaominina Ampitatafika . Efa misy « connexion internet » ary entina hanatsarana ny fizotry ny asa eny anivon’ny birao izay rehetra izany.
Mikasika ny fadriampahalemana indray, hita fa mihatsara vokatry ny fiarahamiasa amin’ny zandary eny an-toerana.
Taona 2015. Efa vonona hiatrika ny taona 2015 sahady ny kaominina satria dia hitady famatsiam-bola avo roa heny ny tetibolam-panjakana . Efa maro ihany koa ny tetikasa voavina.
Marihina fa mbola vonona hilatsaka ho fidiana Ben’ny Tanana hatrany ny Ben’ny Tanana amperinasa ,Atoa Rado RAMPARAOELINA.
Lynda A.