KAOMININA TALAMATY: Miezaka manentana ny mponina hanao fanambaram-piterahana.

Isan-taona dia manome kopiam-piterahana faobe foana ny kaominina ambanivohitra Talatamaty. Tamin’ny voalohany betsaka ireo tsy mbola nanana kopia fa nihena kosa izany salan’isa izany taty aoriana. “Manaporofo izany  fa efa miezaka manao fanambaram-piterahana ny mponin’ny Talamaty”, hoy ny Ben’ny Tanana, Rado RAZAFINDRATSIMBA. Farany teo izao, ny talata 09 martsa, 103 ireo notsaraina ary afaka iray volana dia ahazo ny kopiany izy ireo. “Izao no tontosa dia vokatry ny  fiaraha-miasa tamin’ny “Justice et paix”.

Singa  tsy afa-misaraka amin’ny olona iray ny kopia ka  miezaka manentana ireo mponina hanao fanambaram-piterahana ny kaominina. “Ho fizarana ireo kopia tamin’ity andiany ity dia hisy ny lanonana lehibe  ho karakarain’ny kaominina”, araka ny  fanazavany.

Ho tohin’ny fampivoarana ny kaominina eo amin’ny lafin’ny foto-drafitra asa ho an’ny fampianarana, hisy ny fifanaraha-piaraha-miasa amin’ny Masoivoho Japoney. “Raha tsy misy ny sampona dia  24 martsa ho avy izao ny fifanaovan-tsonia ka efitrano  efatra  hanampiana ny  “Lycee Talatamaty” no ho vitaina aorian’izany”.  Ankoatra ny fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola dia ny hetra no tena mampiodina ny kaominina. Ho an’ny taona 2016, efa voazara ny 90%-n’ny taratasin-ketra.  Manoloana izany, “manentana ny vahoakan’ny Talatamaty  mba hanefa izany adidiny izany ho fampandehanana ny raharaha sy fampandrosoana ny kaominina”.

Lynda A.