Laharam-pamehana ho an’ny kaominina Talatamaty ny fanampiana ireo tantsaha amin’ny famarotana ny vokatra. Tanjona amin’ity taona ity ny fanatsarana ny foto-drafitra asa momban’ny tsena. “Hiara-hiasa amin’iny mpandraharaha ny kaominina amin’ny fanamboarana trano lehibe misy rihina dimy ka ho tazomina ho tsenan’ny tantsaha sy atao “parking” ny farany ambanin’ny trano”, hoy ny Ben’ny Tanana, Rado RAZAFINDRATSIMBA. Manaraka izany, vinan’ny kaominina ny hananganana “central d’achat” na toerana handraisana ireo vokatry ny tany ho fanamorana ny lalam-barotry ny tantsaha.
Ahiana ho ratsy dia ratsy ny vokatra amin’ity taona ity vokatry ny tsy fahampian’ny rotsak’orana. Na dia eo aza izany, nisy azo raisina ihany ny voka-bary teny Talatamaty. Ny fampiasana ny lava-drano sy ny paompin-drano no nahafahana nanondraka ny tanimbary sy ny tanimboly. Hohamafisina hatrany ny fanomezana rano fisotro madio ho an’ny mponina fa indrindra ny fanamboarana lava-drano ho fiatrehana ny main-tany. “Fanamby lehibe ho tratrarin’ny kaominina ho an’ny taona 2017 izany.