Amin’ny maha mpanaramaso ny fifidianana ny KMF/CNOE – Fanabeazana Olom-pirenena dia manentana ny olom-pirenena ny fikambanana hifidy sy hanendry izay hisolo vava azy, eny amin’ny Antenimieram-pirenena. “Koa mijoroa fa fahefanao izany. Sahia maka lesona, Depiote mpanao lalàna fa tsy mpandany lalàna na mpandray baiko handany lalàna fotsiny no ilaina. Solombavambahoaka hentitra amin’ny fanarahamaso ny asan’ny mpanatanteraka ka tsy hikatsaka afa-tsy ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy, sahy hitondra ny hetahetan’ny vahoaka, ary vonona hanao tatitra amin’ny olom-pirenena”. Manentana ny olom-pirenena ihany koa ny fikambanana hifidy sy ampiasa ny fahefany. “Mahaiza misafidy izay heverinao fa tena manana hevitra mifanahaka amin’ireo andraikitry ny Depiote, ho amin’ny tena fampandrosoana handrasan’ny vahoaka. Alaviro ny mifidy ireo mpandika lalàna, sy ireo tsy afaka hanaja ny fisaraham-pahefana izay fototry ny Fanjakana tan-dalàna sy demokrasia”. Miantso ny kandida ny KMF/CNOE mba handrakotra delege mahatoky sy resy lahatra eny amin’ny biraom-pifidianana rehetra. Manao antso avo amin’ny CENI sy ny HCC ihany koa mba hanaja ny safidim-bahoaka, hampihatra ny lalàna manankery, tsy asiana tombo sy hala, arak any rariny sy ny hitsiny. Ho tanterahana ny 29 mey 2024 ny fifidianana solombavambahoaka.
Nampita ny tatitra nataon’ireo mpikambana nandritra ny fanarahamaso nataon’izy ireo tamin’ny distrika 110 ny birao nasionaly, andro ivtsy mialohan’ny fifidianana, ny 25 mey 2024. Nahatsikaritra ny mpikambana fa nahavita ny asan’ny OVEC sy ny HCC tamin’ny famoahana ireo lisitry ny kandida, tontosa ny famaranana ny lisitry ny mpifidy, voahaja ny fanombohan’ny fampielzan-kevitra ofisialy ary vonona ireo taratasy ho fikirakira amin’ny andron’ny fifidianana. Nahita tranga hafa anefa ny fikambanana, toy ny fampiasan’ireo kandida ny marika ahafantarana ny Filoham-pirenena izay Filohan’ny Malagasy rehetra (anarana, akanjo, sary, hira, sns) ary ampiasaina koa rehefa manao fitsidiham-paritra. Eo ihany koa ny fampiasana ny fitenenana hoe “kandidam-panjakana” mandritra ny fampielezan-kevitra, ny fampiasana herisetra amin’ny endriny rehetra (fahefam-panjakana, fanerena mivantana na ankolaka, vola, fitaovana…). Nanambara ihany koa ny birao nasionalin’ny KMF/CNOE fa tsikaritra samy nanao izay saim-pantany sy izay afany nandritra ny fotoana mialoha ny fanokafana ofisialin’ny fampielezan-kevitra.
Lynda A.