KOPERATIVA MADA OMBY: Hiato ny famatsiana omby eto Antananarivo.

Ny 85%-n’ny omby miditra eto amin’ny tsena an’Antananarivo dia ny koperativa Mada Omby no mamatsy izany. Ankehitriny, iharan’ny tsindry hazo lena ny koperativa vokatry ny filazana marina amin’ny haino aman-jery sy ny firesahana izany amin’ny tomponandraikitra ambony. Nandritra ny fifampiresahana tamin’ny Lehiben’ny zandarimaria, nahazo antso narahina fandrahonana ny tomponandraikitry ny koperativa. “Nolazain’ilay olona niantso fa tsy hanasonia ny taratasy manome alalana ny fivezivezen’ny omby intsony ny zandarimaria raha mbola mitohy  ny firesahana amin’ny mpanao gazety sy ireo tomponandraikitra ambony”, hoy ny Filohan’ny Filan-kevim-pitantanana (PCA) ny koperativa Mada Omby, Tahiry SAMBIHAFA.

Midika izany fa tsy  afaka manao sonia ny fanomezan-dalana hivoaka amin’ny toerana  iray ihany koa ny delegem-panjakana. Ny  famatsiana ny omby ataon’ny mpandraharaha mivondrona ao amin’ny Mada omby no tiana hatsahatra.

Nanapa-kevitra ny koperativa hitsahatra amin’ny fandraharahana ny koperativa raha tsy mandray fepetra ny  fitondram-panjakana mba ho fiarovana ny tombontsoan’izy ireo. “Hiato tanteraka ny famatsiana ny omby  avy any Tsiroanomandidy raha  ho an’ny eto Antananarivo”.  Manao antso avo amin’ny Filoham-pirenena  ny koperativa hijery akaiky ny tsindry mahazo ny koperativa.