Nanatanteraka fihaonam-be tao amin’ ny Lapan’ ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina ny fikambanana Kung-Fu Wisa ny asabotsy lasa teo. Ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-35 taona no antony izany. Nandritra ny roa andro ny fankalazana ary nifarana ny alahady izany. Ankoatra ny fotoam-pivavahana, nisy ny fifaninana « Championnat de Madagascar » mahakasika ny taranja « Kung-Fu ».
Notsahivina tamin’ ny fanokafana ny fotoana ny fanenjehana mahery vaika, « Alina mangina », natao tamin’ ny mpikambana tao Ambatomainty. Namapafantarina tao ihany koa ny taranak’ i Me Pierre Mizael, rain’ny Kung-Fu sy nanorina izany voalohany teto Madagasikara. Naranty teny an-toerana ihany koa ireo taratasy rehetra na sary na fitaovana mirakitra ny tantaran’ ny Kung- Fu Wisa.
Ho vato fehizoron’ ny fankalazana, namoaka boky mirakitra ny tantaran’ny Kung-Fu teto Madagasikara sy ny manodidina azy ny fikambanana. 5000 Ariary ny vidiny, misy pejy 70 ary eny amin’ ny Foibe toerana 67 Ha na sampana Kung-Fu Wisa no ahitana izany.
Manana vina hanokatra toeram-pitaizana na » Temple » izay hampitondraina ny anaran’ i Me Pierre Be ny fikambanana. Eny Ambatomirahavavy no kasaina anaovana izany.
Marin-toerana ankehitriny ny Kung-Fu Wisa satira efa misoratra ara-dalana sy neken’ ny fanjakana. « Nandray anjara foana tamin’ ny raharaham-pirenena izahay », hoy i Me Avoko, Filohan’ ny Fikambanana. Porofon’ izany ny faharisihana nilatsaka kandida Filoham-pirenena farany teo. Hatramin’ izao dia tsy mitsahatra mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny fikambanana.
Lynda A.