Ho fanandratana ny talentan’ny tanora ao Fort-Dauphin, hanomboka tsy ho ela ny hetsika ara-kolotsaina « la plus belle voix andiany faha-telo. Nomena ny anarana « la Plus Belle Voix de Farady, la 3ème Génération» ity andiany manaraka ity. Hihatsara ny kalitaon’ny fifaninanana sy ny loka homena ho an’ny mpandresy. Mandritra ny telo volana ny faharetan’ny fifaninanana. Hampiavaka azy ny fitetezana kaominina ambanivohitra ao anatin’ny Distrikan’ny Taolagnaro izay hanaovana ny fifantenana. Tanora 15 ka hatramin’ny 29 taona no afaka mandray anjara. Ny faha-10 ny volana jona 2018 kosa ny fara-fisoratana anarana.
Ny Radio Josvah no tompon’antoka amin’ny fikarakarana ny hetsika, ary io onjam-peo io no hany tokana , haino aman-jery any amin’ny sisiny manao hetsika toy izao hoy ny mpikarakara. Mpanohana ofisialin’ny « la plus belle voix de Farady andiany faha-telo » ny orinasa ATR Anosy, Tv Radio Communication. Mpanohana ny hetsika kosa ny Rion Tinto, Agence ProCom ary mpiara-miasa amin’ny mpikarakara ny orinasa Telma, Tee shirt Tafarad, Lucky Photographie, Boutique Procom.
Mbola manentana an’ireo afaka manohana ny mpiakarakara indrindra fa ireo zanak’i Fort-Dauphin mba samy hitondra ny anjara birikiny ho fanandratana ny talentan”ny tanoran’i Fort-Dauphin. Nohamafisin’ny mpikarakara, nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety tamin’ny alakamisy 24 mey 2018 fa tsy nangataka no tsy nandray fanampiana miendrika politika izy mba hitandrovana ny fahadiovan’ny kilalao amin’ity taona 2018 ity.