Tandindon-doza ny zon’ireo olona mipetraka amin’ny tany nefa tsy manana titra na karatany raha vakiana tsara ilay lalàna momba ny fananantany vaovao laharana 2021-016, araka ny antso fanairana nataon’ireo firaisamonimpirena 126, nandritra ny fanamarihana ny andro iraisampirenana ho an’ny zon’olombelona, ny 10 desamba 2021. Raha mihatra io lalàna dia ho foana ny zon’ireo olona efa nanajary ny tany satria araka ny fanavaozana ny lalàn’ny fananantany tamin’ny 2005 sy ny lalàna 2006-031 dia efa azo lazaina fa ho tompony rehefa nanajary ny tany. Ny Malagasy anefa hamporisihina hipetraka amin’ny tany mba ho lasa tompony. Voalaza ao amin’ity lalàna vaovao ity ihany koa fa izay olona tsy manana titra na karatany ka tafiditra ao anatin’ny faritra misy harena an-kibon’ny tany na faritra hanaovana tetikasa ho an’ny daholobe dia ho esorina amin’ny tany na ho afindra. “Raha jerena sy vakiana tsara io lalàna io dia fomba hanesorana tsikelikely ny fahefan’ny kaominina amin’ny fitantanana ny fananantany”, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny SIF, Raparison Eric. Tsiahivina fa nanao grevy nasionaly, ohatra tamin’ny taona 2015, ny sendikan’ny mpiasan’ny fananantany momba ny tsy fanekena ny fitantanan’ny kaominina ny fananantany na ny BIF. Tolon-dalàna avy amin’ny governemanta anefa io lalàna vaovao io, araka ny fanazavan’ireo fiaraisamonimpirenena. Raha ny zava-misy tao anatin’ny taona maro, hoy ireo firaisamonimipirenena dia nanamora ny fikarakaran’ny tantsaha ny taratasin-tany ny fisian’ny BIF. Akaiky azy ireo kokoa ny BIF noho ny fandehanana any amin’ny sampandraharahan’ny fananantany sy ny fandrefesantany, misahana ny fikarakarana ny bokin-tany (titra), izay lavitra ny kaominina misy azy ireo; Mora kokoa ny fahazoana karatany raha oharina amin’ny titra.
Lynda A.