Naneho fiarahabana ny vahoaka Malagasy sy fisaorana ho an’ireo mpikarakara tamin’ny fandraisana ny frankofonia ny fivondronan’ny lehiben’ny faritra 22. Samy nijinja ny voka-tsoa azo tamin’ny frankofonia ny faritra tsirairay. “Ny frankofonia teto Madagasikara no tsara indrindra. Nitondra tombontsoa ho an’ny faritra izany”, hoy ny filohan’ny lehiben’ny faritra 22, Ndrantonomena RAKOTONANAHARY.
Ho an’ Amoro mania, nandray anjara tamin’ny varotra fampiratiana teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka ny faritra. “Teo noho eo ihany dia teraka ny fiarahamiasa amin’ny firenen-kafa amin’ny fandraisana ny asan-tanana sy taozavatra vita Malagasy”, hoy ny lehiben’ny faritra, Joel RAKOTOMANKIAFARANA.
Nahazo ny anjara tandrifiny ihany koa ny faritra Vakinankaratra satria teraka ny fiarahamiasa amin’ny fanjakana marokanina. “Reny sy zaza maro no ho raisina an-tanana ary hisitraka ireo foto-drafitra asa ho amboarina”, hoy i William RAKOTONARIVO.
Ankoatra izany, tsy ho sahirana intsony ireo tantsaha any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany. “Efa mihakaoka ny riam-pasiky ny lakandranon’ny Pangalanina ka manano-sarotra ny fitaterana ny vokatra”, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny faritra any an-toerana. Nambarany fa hitondra fampandrosoana na eo amin’ny lafiny fizahan-tany na ara-toekarena ny fanamboarana foto-drafitra asa amin’iny lakan-drano iny.