Roa volana no niketrahan’ny Vovonana DFP ( Dinika ho Fanavotam-Pirenena) ny tetika manaraka hirosoana amin’ny « fanavotam-pirenena ». Nifampiresaka tamin’ireo fikambanana laika, antoko politika, Filoha nifandimby teo aloha sy ny maro hafa ity vovonana ity. Nampitondraina ny anarana hoe : « les forces de changement » ny fitambaran’ ireo hery velona ireo. Tanjon’ny vovonana ny hiarahana mitondra ny firenena Malagasy. Nivoatra tao anatin’ny fivoriana nataon’izy ireo androany fa hamolavola fandaharan’asa ho fiaraha-mitantana ny firenena ny hetsika « les forces de changement ». Nambaran’i Maharavo RATOLONJANAHARY fa tsy ekena intsony ny fitantanan’ny ekipan’ny fitondrana ankehitriny fa mila paika ady iraisana ho fanavotam-pirenena.
Ao anatin’ny roa herinandro farafahakeliny dia ho voatambatra ireo volavolan-kevitra ahafahana manangana sata hifehy ny hetsika. Eo ihany koa ny famolavolana ny paika ady iarahana mitantana ny firenana miaraka amin’ny Filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA.
Mifantoka amin’ny lalam-panorenana, ny tontolon’ny fifidianana, fampihavanam-pirenena, famerenana ny tany tan-dalana io fandaharan’asa iraisana io.