Andro fahatsiarovana ny fitsingerenan’ny taona nitsanganan’ny Lions Club manerana izao tontolo izao ny 8 oktobra. Ny taona 1917 ary tany “Etats Unis” no niforonany. Ho fanamarihana izany, nisy ny hetsika fanomezan-dra maimaim-poana nokarakarain’ny vovonana eto Madagasikara, faritra Antananarivo omaly. Hanampy ireo sahirana amin’ny lafiny rehetra fa tsy ara-pivelomana ihany no tanjon’ity farany ka izany indrindra no antony izao hetsika izao. “ Anjaranay manamaivana ny entana mavesatra mianjady amin’ny mpiray tanindrazana aminay”, hoy i Bruno Randrianaribefitia, Lions Club Farimbona.
Anisany iankinan’ny toeram-pitsaboana, indrindra fa ny hopitali-panjakana ny fitahirizan-dra satria miantoka ny ain’ny marary amin’ny ankapobeny. Nahatsapa izany ihany koa ny Lions Club Antananarivo ka izany no nisafidianan’izy ireo ny hetsika fanomezan-dra. Manodidina 250 eo ny kitapon-dra novinavinaina tamin’ity hetsika mba ahafahan’ny hopitaly manodidina an’Antananarivo mikatroka ao anatin’ny iray volana na mihoatra, araka ny fanazavana azo hatrany.
“Izao no natao dia ny hampisehoanay ny mpiara-belona fa mitafy nofo sy ra ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny Lions Club ary afaka manampy ny hafa ihany koa”. Mbola mitohy ny asabotsy izao ny hetsika ka miompana amin’ny fizahana ny maso indray izany. Marihina fa eny amin’ny Esplanade Analakely no hanatanterahina ny hetsika.
Lynda A.
Lynda Andriatsitonta liked this on Facebook.