Lycée Talatamaty: Nitombo efatra indray ny efitrano fianarana.

Sahirana tokoa ny mpianatra  ao amin’ny sekolim-panjakana ambaratonga faharoa ao amin’ny kaominina Talatamaty noho ny  tsy fahampian’ny  efitrano fianarana. Mifaneritery tokoa mantsy rehetra mianatra.  Efitrano dimy fotsiny  ho an’ny mpianatra miisa 392.  Ka  misy ny  tetikasa iarahan’ny kaominina sy ny Masoivoho Japoney  izay hanamboarana  efitrano 4 miampy  ireo fitaovana ilaina toy ny dabilio,  solaitra be,… trano fivoahana 4  ho fanampiana ny Lycée  Talatamaty.

Notanterahina ny alakamisy 24 Martsa teo ny fifanaovan-tsonia mpiaraha-miasa amin’ny roa tonta teny amin’ny  Lycée  ihany. “  Fanomezana foto-drafitra asa fototra  io fanampian’ny Masoivoho io ”, araka ny   fanazavan’ny  Proviseur, Michelle Voahirana RAHARINDRATOSOA.

Nambarany fa vinavinaina ao anatin’ny enim-bolana ny famitana ireo foto-drafitra asa ireo ary amin’ny voalohany volana Aprily no anombohana izany. Ankoatra izany, manodidina ny 70.000 Euros eo ny fitambaran’ny vola ho laniana amin’ny fanamboarana.