Mbola manana fotoana itadiavana ny oniversite hanohizana ny fianarana ireo mpianatra vao afaka fanadinana bakalorea. Ivom-pampianarana ambaratonga ambony miisa 60 no hanoro lalana ho azy ireo amin’ny fisafidianana ny lalam-piofanana eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina.
Andro faharoa sady famaranana ny « salon des études supérieures » androany 08 septambra 2017 ka efa mpianatra manana ny diplaoma bakalorea aman’arivony no tonga nitsidika hetsika omaly.
« Fotoana ahafahan’ireo mpianatra mahafantatra bebe kokoa ny lalam-piofanana azo rantovina ity hetsika ity satria anisany manampy azy ireo amin’ny fahalalana ny sehatr’asa mifanaraka amin’izany », hoy ny mpikarakara ao amin’ny Mada Jeune, lahatra ANDRIAMAHATSANGY.