Lanonana roa sosona no nankalazaina teny amin’ny Magro Tanjombato. Feno 67 taona ny Filoha Marc RAVALOMANANA ny 12 desambra 2016. Tao anatin’izany no nohararaotina ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy tranom-barotra AAA Magro Tanjombato.
Nampiseho ny heriny ny vondrona TIKO. Miranty eny an-toerana avokoa ireo vokatra nahafantarana azy hatramin’izay. Ny rano fisotro sy ny zava-pisotro, ny dibera, ny yaourt, ny menaka…
Na dia misy aza ny lalan’ny fifaninana eo sehatry varotra, natao amin’ny vidiny mirary ho zakan’ny mpanjifa ny vokatra TIKO. “ Ny Malagasy aloha no voaloha-daharana amin’ny orinasa. Noho izany, na dia tsara kalitao azan y vokatra dia natao ho takatry ny fahefa-mividy ny tsirairay izany”, hoy i Marc RAVALOMANANA.
Nanamafy ihany koa ny tenany fa ny fanomezana lanja ny vita Malagasy no tokony atao laharam-pamehana mihoatra ny vokatra avy any ivelany.