MAKI PRODUCTION: Horonan-tsary “Benja kely 2 Zioga, eto Antananarivo no ahita voalohany.

Valo volana no nanodinan’ny trano mpamokatra Maki Production ny horonan-tsary “Benja kely 2 Zioga”. Ao amin’ny efitrano malalaka  RITZ sy REX Analakely no hampisehoana izany voalohany mialoha ny fitetezam-paritra.  Anio 5 jona 2017, andro fety io satria alatsinain’ny pentekosta dia afaka hijery ny tohiny i Benja kely andiany voalohany ireo mpankafy sarimihetsika Malagasy.

“Mifono anatra ho an’ny Ray aman-dreny manary zanaka ity sarimihetsika andiany faharoa ity ary mampahafantatra azy ireo  ny voka-dratsiny izany”, hoy i Tovomanana RABARISON, Talen’ny Maki Production.

Hibahana tanteraka ao anatin’ity horonan-tsary ity ny fiainana any am-ponja. Niaina tao anatin’izany i Benja Kely.  Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra voalohany an’ny Maki Prod, nandany teo amin’ny efatra andro teo izy ireo nanodinana  ny   ampahan’ity horonantsary ity, teny amin’ny fonja.

 Ny enti-manana no tena sakana tsy mampandroso ny sarimihetsika Malagasy. Noho izany, mangataka ny fanohanan’ireo orinasa eto an-toerana ireo trano mpamokatra ho fanandratana ny kanto Malagasy. Vokatry ny fanohanana ataon’ny  fahitalavitra Sky one miampy ny tohana avy amin’ny  Ofisy Malagasy misahana sarimihetsika (OMACI) dia tafavoaka soamantsara ny sarimihetsika “Benja kely 2 Zioga”.

 Aorian’ny famoahana azy eto Antananarivo, hitety an’i Madagasikara ny trano mpamokatra. Ireto avy ny daty efa voafaritra: ny 18 jona  any Toamasina, ny 18 jolay  2017 any Mahajanga.