MANDA SA : Vokatra voakajy sy tsara kalitao no atolony ho an’ny mpitsidika ny « vitrine économique Toamasina ».

Mpiantsehatra  ara-toekarena valopolo miasa manodidina ny faritra Atsinanana sy faritra hafa no mampiaina ny « vitrine économique Toamasina »,  mandritra ny telo andro. Anisan’izany ny orinasa Manda SA. Manakaiky hatrany ny mpanjifa ny orinasa amin’ny alalan’ireo vokatra varotan’ny dia ny sakafo voakarakara avy amin’ny hazandranomasina  na « spécial fruit de mer »   sy ny hazandranomasin’i Madagasikara. « Vokatra voakajy sy tsara kalitao no atolotray  ho an’ny mpitsidika ny  vitrine économique Toamasina, andiany faharoa », hoy ny Filoha Tale Jeneralin’ny Manda SA, Bakoly RAHERIMANANA.

Hetsika voalohany nandraisan’i restaurant Manda Sea Food sy Manda SA ho an’ny fartira Atsinanana  ity hetsika karakarain’ny Media Consulting  eto Toamasina ity. Nambaran-dRamatoa  Bakoly RAHERIMANANA fa fotoana ahafahan’ny orinasa mampahafantatra ny vokatra varotany amin’ny mponin’i Toamasina ny hetsika. Ka ho fanomezana fahafaham-po ho azy ireo, manana vina hametraka   toeram-pivarotana  eto Toamasina ny Restaurant Manda Sea Food sy Manda SA.

Nanomboka omaly « vitrine économique Toamasina »  ary hifarana rahampitso 06 may 2017. Eny amin’ny araben’ny fahaleovantena Toamasina no ahitana izany.