Tsy niandry ela ny fitondram-panjakana fa vao vita ny fananganana ny governemanta vaovao tarihin’I Solonandrasana Olivier MAHAFALY dia notontosaina ny famindram-pahefana rehetra. Ho an’ny Ministera misahana ny tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika sy ny fanajariana ny tany ary fampitaovana dia ny alatsinainy teo no notanterahina ny famindram-pahefana teo amin’ I Rivo RAKOTOVAO, Ministra teo aloha sy ny Ministra vaovao RAFIDIMANANA Narson.
“Hitondra fanavaozana sy fanatsarana amin’ity Ministera ity ny tenako”, RAFIDIMANANA Narson namaly ny kabarin’ny Ministra teo aloha. Nilaza mantsy ity farany fa “tsy tokony hionona amin’izay vita na tsara na ratsy izany”.