MINISTERAN’NY FITSARANA: Laharam-pamehana ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana.

Vita tamin’ny 03 ora tolakandro, teny amin’ny Ministeran’ny Fitsarana Faravohitra ny famindram-pahefana teo amin’ny Ministra teo aloha Charles ANDRIAMISEZA  sy Ramatoa  Elise  Alexandrine RASOLO, Ministra vaovao.  Efa vonona  ny hanohy ny asa nataon’ny teo aloha  ity farany  ka anisany lahara-pamehana amin’izany ny fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly, ny famerenana ny hasin’ny fitsarana fa indrindra ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana.

 Nanatrika  lanonana ny Filohan’ny sendikan’ny Mpitsara sy ny mpirakidraharaha. Nambaran’ny roa tonta fa matoa nisy ny fanovana MInistra dia hitondra fanovana amin’ny sehatry ny fitsarana izany. “Manantena fahafaha-po anay sendika ny vahaolana ho raisin-dRamatoa Ministra”, hoy ny Filohan’ny Sendika ny Mpitsara, Fanirisoa  ERNAIVO.

Nanamafy izany ihany koa ny Filohan’ny sendikan’ny mpirakidraharaha, Haja RANDRIAMBOLOLONA fa miandrandra valin-teny mahafa-po ny mpikambana ao amin’ny sendika.

Marihina fa hihaona amin’ity Ministra vaovao ity ny sendika roa amin’ny alakamisy 31 aogositra 2017.