MINISTERAN’NY JONO: Ampiana tosika ireo mpanjono madinika.

Anisany mamatsy hazandrano be indrindra an’ireo indostria mpanangona ny vokatry ny ranomasina na ranomamy ireo mpanjono madinika. Mbola  misy ireo mpanera anefa manelanelana amin’izy ireo. Hany ka amin’ny vidiny mora no andraisana ireo trondro. Tsy fahafantarana ireo mpandraharaha lehibe no antony voalohany amin’izany. Ho  fanampiana ireo mpanjono madinika ireo indrindra no nikarakarana ny androm-pirenena ho an’ny jono sy ny fiompiana anaty rano. Nanomboka omaly alakamisy faha-29 ny volana septambra ny andiany faha-03 ary ny alahady faha-02 ny volana oktobra 2016 ny famaranana.

Mpiantsehatra  ao anatin’ny jono sy ny  fiompiana anaty rano miisa 150 no mampiranty ireo vokatry ny ranomamy na ny ranomasina eny amin’ny Stade Annexe Mahamasina mandritra ny efatra andro.