Fampivondronana ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny sehatry ny jono sy ny fiompiana anaty rano ny hetsika tamin’ny faran’ny herinandro teo. 150 ireo mpandray anjara tamin’izany. Tao ny nampahafantatra ny karazana hazandranomasina na hazandranomamy arovana sy misy eto amintsika, tao ny nampiranty ireo vokatra azo ampisaina amin’izany toy ny fikarakarana sakafo, fitehirizana azy ireo…Fotoana nifanenan’ny orinasa mpanangom-bokatra sy ny mpanjono madinika ihany koa ity androm-pirenena ho an’ny jono sy ny fiompiana anaty rano ity. « Nahomby ity andiany fahatelo ity raha ny isan’ny mpandray anjara fotsiny no jerena satria tamin’ny voalohany manodidina ny 20 teo izy ireo », hoy ny Minisitra Gilbert François.
Ho an’ny trano fisakafoana Manda izao, hita taratra ny fankafizan’ny Malagasy ny sakafo vita avy amin’ny hazandranomasina satria tomefy olona foana ny trano hevany. Samy nahazo ny anjara tandrifiny ihany koa ireo trano heva sasany.
Lynda Andriatsitonta liked this on Facebook.
Hery Rabodomanga liked this on Facebook.