Ministeran’ny jono : Paik’ady imasoana ny fanohanana an’ireo mpanjono.

Sehatra anankiray izay tena mampidi-bola be indrindra eto Madagasikara ny harena anaty ranomasina sy ny jono. Fanamby ny Ministera sy ny fanjakana Malagasy ny fanohanana an’ireo tantsaha sy ny mpanjono indrindra eo amin’ny fitantanana mangarahara.

Ny fomba fanjonoana nentim-paharazana dia anisany ny zavatra nanampy be ny Firenena amin’ny fampidiram-bola. Nisy vokatra maro avy amin’ireo mpanjono ireo izay nalefa tany ivelany toy ny horita, sy ny angisy ary ny akorandriaka ka ny Faritra Atsimo Andrefana no lohalaharana amin’ny famokarana an’izany. Tetikady vaovao no entin’ny Ministeran’ny Harena anaty rano sy ny jono ny  hampandrosoana an’io sehatra io. Ankehitriny dia ny fiompiana anaty ranomasina no tena imason’ny Ministera satria tena mitondra vokatra ary miteraka asa ho an’olona maro. Tena mampidi-bola amin’ireo tantsaha ny fiompiana ary misy tsy manjono intsony rehefa avy nahazo tombony tamin’izany.

Be dia be ireo fifaneraserana sy fifanakalozan-kevitra amin’ny fitadiavam-bahaolana mahakasika ny jono. Natao ireo fomba izay haha-matihanina an’ireo mpanjono amin’ny alalan’ny fampitaovana sy ny fanomezana karatra ary ny fanisiana fanamarihana manokana amin’ireo lakana.

Maro ireo fikambanan’ny mpanjono izay miara-miasa amin’ny fanjakana mba hisian’ny fitantanana mangarahara. Efa misy fepetra noraisin’ny fanjakana amin’ireo sehatry ny  jono tsy manara-dalàna. Niakatra ny fampidiram-bola tamin’ny taona 2015/2016 ary efa nisy ihany koa paika ady niarahana ary neken’ireo mpanjono ireo. Nohamafisin’ny Minisitry ny  Harena anaty rano sy ny jono, GILBERT François, « nametraka vina ny Ministera mba hampiakatra ny vokatra ho 30 ka hatramin’ny 40 %. Jono tsara tantana sy ny fampiakarana ny fari-piainan’ireo mpanjono no tena imasoanay. »

Fanomezana harato ny filoham-pokotany traboina

            Volana maro lasa izay no niharan-doza i Marala, lehiben’ny Fokontany Mahavatsy I. May kilan’ny afo ny tranony ary maro ireo entana potika tamin’izany fotoana izany. I Marala dia lehibena fikambanana mpanjono ihany koa ary manana traikefa amin’ny resaka fanjonoana. Tsy nijery fotsiny azy ny fanjakana izay tarihin’ny Filohan’ny Repoblika, Hery RAJAONARIMAMPIANINA fa nanatitra fanampiana ho an’ilay traboina.

 Ny Asabotsy 24 jona teo,  nidina teny an-toerana ny Delegasiona izay tarihin’ny Minisitry  ny  harena anaty rano sy ny jono nandritra ny fandalovany teto  Toliara izay niaraka tamin’ny solombavam-bahoaka, Tondraha Razaha ary ny lehiben’ny Faritra Atsimo Andrefana, Kôlônely Rabe Jules.  Nanatitra harato mba ho fanohanana azy  amin’ny asa izay ivelomany ireto farany.

Santatra am-bava rano fotsiny anefa io hoy ny Minisitra fa ny manetsa be mbola ho avy. « Ny fampitaovana an’ireo mpanjono no tena imasoanay ao amin’ny ministera ka fitaovana ari- fomba sy mahomby no nomenay mba iadiana amin’ireo loza maro samihafa izay hita eny an-dranomasina eny. Tsy maintsy hitohy izany rehetra izany fa ity kosa dia vonjy taitra an’ilay olona traboina. »

Retana