Mpiara-miombona antoka lehibe miara-miasa amin’ny firenena Malagasy i Chine sy Japon. Ho an’ny firenena sinoa, efa 45 taona ny fiaraha-miasa ara-diplomatika tamin’i Madagasikara. Ho fanamafisana izany, nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana an’Andriamatoa Ministry ny raharaham-bahiny, Henry RABARY –NJAKA ny Ambasadaoron’ny Chine, miasa eto an-toerana ny alarobia 31 aogositra 2017.
Nandray ny Ambasadaoro, misolo tena an’ i Japon ihany koa ity Ministra vaovao ity tamin’io andro io.
Araka ny fanazavany ny Ministra, ho fikatsahana ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy no noresahany tamin’ireo vahiny noraisiny.