MOUVEMENT GASIKARA : Hampitambatra ireo loko politika misy eto Madagasikara

Mipetraka ho mpampitambatra ( rasembleur). 20 taona no nifanolanan’ny TIM sy ny TGV ka tokony ho faranana izany. Natsangana ny hery fahatelo « Mouvement Gasikara » (MG)  mba hivondronan’ny Malagasy rehetra. « Miantso ireo olom-pirenena rehetra tsy an-kanavaka na mpoba an’iza ianao taloha dia antsoina hiara hientana, hiara hisalahy hitondra vahaolana ho amin’ny fampandrosoana ny firenena », hoy ny solombavambahoaka GASCAR Fenosoa. Nampahafantarina teny Antaninarenina ny 14 aogositra 2024 ny tambazotra ny MG. Noho izany dia misokatra ho an’ny rehetra ny MG ka vonona, mitovy fijery, mitsinjo ny tombotsoan’ny be sy ny maro ary maniry ny hanova ny hoavy sy ny tantaran’i Madagasikara. Hovaina ny fanasohasoana olona, hoy izy. Malagasy ianao vao mpanohana antoko politika, hoy izy. Mitarika azy ny solombavambahoaka GASCAR Fenosoa sy ireo ekipany. Foto-kevitra hijoroan’ity solombavambahoaka ity hitodra ny fanovana amin’ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara. Hitondra tsikelikely ny anjarabiriky mba hanovana ny tantara sy ny hoavin’i Madagasikara ary ny fiainan’ny Malagasy. Nanampa-kevitra ny « Mouvement Gasikara » fa handray an-jara amin’ny fifidianana ben’ny tanana. Tanjona ny hanenika ireo kaominina rehetra manerana an’i Madagasikara. Noho izany, miantso ireo izay mety efa manana fanirina ny hirotsaka ho kandidà ben’ny tànana hitambatra ao amin’ny MG. Ankotra izay, misokatra ho an’ny rehetra ny MG raha entanin’ny fitiavan-tanidrazana.

« Malalaka tanteraka aho ary tsy manana « patron » afatsy ny vahoaka irery ihany eny amin’ny Antenimierampirenena », hoy hatrany ity solombavambahoaka ity. Mbola lavitra ny lalana ho diavina raha tena hitondra rivo-panovana amin’ny fomba amam-panao eny Tsimbazaza.

Lynda A.