MPIANTOKA ASA: Nomen’ny Ambatovy fiofanana

Laharampahamehana ambony indrindra sady tsy azo iadian-kevitra. Toa izany no andraisan’Ambatovy ny aroloza sy ny fitandroana ny fahasalaman’ny mpiasa, isan’izany ireo an’ny mpiantoka asa ho azy, sy ny mponina voakasiky ny asa ataony. Ho fikajiana an’izany dia manaraka ireo fenitra  hentitra indrindra momba an’izany Ambatovy sady manampy ihany koa ireo mpiombonantoka aminy hahavita toy izany. Vao tsy ela akory izay no nomen’Ambatovy fiofanana momba ny asa atao amina toerana avo sy ny fitantanana ireo tataondoza ny orinasa fito misahana ny fananganana fotodrafitrasa sy asa vaventy ao Moramanga.

Tanjon’ny fiofanana ny hanampy ireo mpiantoka asa hahafeno ireo fenitra takian’Ambatovy eo amin’ny lafiny Fahasalamana sy Aroloza. Isan’ireo fampiofanana omen’Ambatovy maimaimpoana ny mpiantoka asa ho azy amin’ny alalan’ny fandaharan’asa ALBI (Ambatovy Local Business Initiative) nataony ho fanampiana ny orinasa eto an-toerana ity notanterahina tany Moramanga ity. Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ireo tombontsoa entin’Ambatovy ho an’ny toekarena malagasy ny fizarana fahaiza-manao sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina amin’ny alalan’ny fifanarahana fifampivarotana ataony amin’ny orinasa madinika sy salantsalany eto an-toerana.

Nanangona: Lynda A.