“Tsy azo inoana fa ho voavaha ao anatin’ny roa taona sy tapany izany ny olana navelan’ny fitondrana nifandimby teo aloha”, hoy ireo olom-boafidy manohana ny fitondrana. Azo atao tsara ihany koa anefa ny manao fanamby hamaha izany raha tena te hitondra firenena fa tsy ilazana manilika ny rihitra any amin’ny hafa.
Nanambatra ny heriny mihitsy ireo Ministra am-perinasa asa vitsivitsy miampy solombavambahoaka sy loholona sasantsany hanohana ny Filoham-pirenena. Samy miaro ny rambony tsy ho tapaka tokoa ka voatery manohana na dia efa mibaribary izao aza fa tsy mbola tafavoaka ny lavaky ny fahantrana ny Malagasy. Sahy nilaza mihitsy ny FFT na “Firaisan-kina ho Fampandrosoana ny Tanindrazana” izay ivondronan’ireo Ministra vitsivitsy sy parlemantera mitonona ho manohana an’i Hery RAJAONARIMAMPIANINA fa “ezaka maro no efa vita ary efa an-dalana mampandroso an’i Madagasikara ny fitondram-panjakana. Ny fahazoana famatsiam-bola avy any ivelany, ny fisokafan’ny AGOA, ny fizarana fitaovana ho an’ny mpianatra no hamaritan’izy ireo fa tena miasa ity farany. Raha ny anarana no entin’izy ireo no jerena, miray hina ho fampandrosoana ny tanindrazana tokoa ve sa fitia te hitazona toerana ka mody manohana? Miova loko indray avy eo rehefa tsy mitondra soa ho an’ny tena?
Nanambara ny fisiany ny fikambanana ny FFT ny sabotsy 05 novambra 2016 lasa teo. “Maro ny ezaka efa vita ka manohana ny Filoha Hery RAJAONARIMAMPIANINA ny fikambanana. Mikatsaka ny fitoniana ara-politika izahay ka mivelatra amin’ny fifampindihina”, sombim-panambarana novakian’ny Solombavambahoaka Nantenaina ANDRIAMBOAVONJY.