Tokony hanefa ny tambiny amin’ny fampiasana ny sangan’asan’ireo artista ireo mpampiasa izany raha hajaina ny zon’ny mpamorona. Voakasiky izany avokoa ny haino aman-jery, mpikarakara fampisehoana, trano fisakafoana sy fandraisam-bahiny, taxi-brousse, cyber café… “Maro no efa nanefa ara-dalana izany ary betsaka ihany koa anefa no mbola tsy manaja izany”, hoy i Princio.
Miantoka ny fiarovana ny zon’ny mpamorona ny OMDA. Nandalo sedra ity sampana ity satria noesorin’ny Ministry ny kolotsaina sy ny vakoka ary ny asan-tanana teo aloha, Brigitte RASAMOELINA ny taleny. Ankehitriny, nandresy tamin’ny fitakiana ny hamerenana azy ny sendikan’ny artista. Ny talata faha-22 novambra teo no vita ny famindram-pahefana teo amin’ny tale nitantana vonjimaika sy i Haja RANJARIVO. “Ny famerenana ny tanjaky ny OMDA no asa vonjimaika ho sahanina”, hoy ity farany.