“Tsy vahaolana intsony ny fanonganam-panjakana na ny fitakiana ny fialan’ny Filoham-pirenena, Hery RAJAONARIMAMPIANINA eo amin’ny fitondrana”, hoy Paolo Emilio RAHOLINARIVO, Administrateur Civil. Nizara ny voka-dratsiny izany ny tenany. “Anisany nandrodana fitondrana ny tenako. Betsaka no very asa…nanapotika zavatra maro teto amin’ny firenena izany”. Nambarany fa tsy lalana ialana amin’ny krizy izany. Ankoatra izany, efa manomboka mandeha any amin’ny fampandrosoana ve ny firenena dia averina any amin’ny fahapotehana indray?
Tsy mahomby intsony ny fialan’ny Filoham-pirenena fa aleo miandry amin’ny fifidianana 2018. Nohamafisiny fa tsy ny Filoham-pirenena irery ihany no tomponandraikitra amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny fahantrana, ny kolikoly… fa miankina amin’ny tsirairay ihany koa ny fampandrosoana. Porofo mivaingana izao ny kolikoly eny anivon’ny fampidirana mpiasam-panjakana. Na tsy manana fahaizana hanatanteraka ilay toerana tadiavina aza ilay olona, rehefa misy ny vola sy manjaka ny kolikoly, manginy fotsiny ny hoe “mahafantatra olona” dia tafiditra mpiasam-panjakana. Vokany, tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fampandehanan-draharaha ka lasa mikatso ny fampandrosoana.
Noho izany, manao antso avo amin’ireo antoko na fikambanana mitaky ny fialan’ny Filohan’ny Repoblika i Paolo Emilio RAHOLINARIVO fa tsy vahaolana izany. Ny fifidianana ihany no lalan-tokana raha tena mampihatra ny demokrasia marina.
Lynda Andriatsitonta liked this on Facebook.
Cessa Soccy liked this on Facebook.
Joro Parson liked this on Facebook.
Nambinintsoa Mihoby Rakotohasimbola liked this on Facebook.
Nyrsuh Felana liked this on Facebook.
Rado Kham liked this on Facebook.