Paolo Emilio RAHOLINARIVO: Fahapotehana indray no vokatra azo avy amin’ny fanonganam-panjakana.

“Tsy vahaolana intsony ny fanonganam-panjakana na ny fitakiana ny fialan’ny Filoham-pirenena, Hery RAJAONARIMAMPIANINA eo amin’ny fitondrana”, hoy Paolo Emilio RAHOLINARIVO, Administrateur Civil. Nizara ny voka-dratsiny izany ny tenany. “Anisany nandrodana fitondrana ny tenako. Betsaka no very asa…nanapotika zavatra maro teto amin’ny firenena izany”. Nambarany fa tsy lalana ialana amin’ny krizy izany. Ankoatra izany, efa manomboka mandeha any amin’ny fampandrosoana  ve ny firenena dia averina any amin’ny fahapotehana indray?

Tsy mahomby intsony ny fialan’ny Filoham-pirenena fa aleo miandry amin’ny fifidianana 2018. Nohamafisiny fa tsy ny Filoham-pirenena  irery ihany  no  tomponandraikitra amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny fahantrana, ny kolikoly… fa miankina amin’ny tsirairay ihany koa ny  fampandrosoana. Porofo mivaingana izao ny kolikoly eny anivon’ny fampidirana mpiasam-panjakana. Na tsy manana fahaizana hanatanteraka ilay toerana tadiavina aza ilay olona, rehefa misy  ny vola sy  manjaka ny kolikoly, manginy fotsiny ny hoe “mahafantatra olona” dia  tafiditra mpiasam-panjakana. Vokany, tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fampandehanan-draharaha ka lasa  mikatso ny fampandrosoana.

Noho izany, manao antso avo amin’ireo antoko na fikambanana mitaky ny fialan’ny Filohan’ny Repoblika i Paolo Emilio RAHOLINARIVO fa tsy vahaolana izany. Ny fifidianana ihany no lalan-tokana raha tena mampihatra ny demokrasia marina.