Maro amin’izao fotoana izao no midodododo mitady an’Andriamanitra raha sendra ady sy olana fa indrindra rehefa marary. Ny ankamaroan’ireo sahiram-pivelomana dia efa fahazarana ho azy ireo izany. Noresahan’i Pasitera Benjamina, ao amin’ny fiangonana FMFOI kosa ny momban’ireo mpanana-karena sy manam-pahaizana. “Rehefa tsy voavahan’ny harena hananany sy ny fahaizany amam-pahalalany izay vao midodododo miantso an’Andriamanitra”. Anisany mankany any am-piangonana ihany anefa izy ireo. Nambaran’i Pasitera fa afaka atao tsara ny miorina ara-panahy kanefa mijanona amin’ny maha izy anao ihany. Ho voamboasana eny amin’ny Lapan’ny Kolotsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina izany ny sabotsy faha-08 ny volana oktobra 2016 izany.
“Manasa ny rehetra, indrindra fa ireo voalaza etsy ambony ho avy hanatrika izany”. Hanam-pinoana sy ho marin-toerana amin’ny ara-panahy sy ara-tsaina avokoa na ny manan-karena na ny mahantra aorian’ny hetsika.
Lynda Andriatsitonta liked this on Facebook.
Livanirina Ramanitra liked this on Facebook.
Samuel Andrianjaka liked this on Facebook.
Warenn Christinah liked this on Facebook.
C’kuns Jahman’s Ts’hiarou liked this on Facebook.
Andosoa Rakotonoely liked this on Facebook.
Leticia Razak liked this on Facebook.
Mélaminé Bois liked this on Facebook.
Fy’tiah Rafah liked this on Facebook.
Brainerd Møsa liked this on Facebook.