Nadika tamin’ny teny Malagasy avokoa ireo lalana heverina fa mifehy ny mpivady . Ny tokantrano Malagasy” no lohaten’ilay boky mamaritra ny lalana mifehy ny fanambadiana sy ny tokantrano navoakan’ny fikambanana Pot’en Ciel Organizing (PCO). Tafiditra indrindra ao anatin’ny fandaharanasa fampiofanana momba ny fanambadiana izay tontosaina miaraka amin’ny programa Dinika vatsian’ny vondrona eropeanina vola izy ity.
Amin’izao fotoana izao, fito isan’andro ny mpivady misaraka eny amin’ny tribonaly. Ny tsy fahafantarana ny lalana mifehy ny fanambadiana no antony lehibe mahatonga izany. Voalaza ao anatin’ny toro-lalana fahatelo nosoratan’ny PCO ny lalana momban’ny fanambadiana, ny faharavan’ny fanambadiana, ny zaza ary fandovana. “Zaraina maimaim-poana ity boky ity”,hoy ny tomponandraikitry ny fandaharanasa, Laingoniaina. Ireo mpivady miofana eny anivon’ny firaisana enina, eto Antananarivo renivohitra, iarahan’ny fikambanana miasa no mahazo tombony voalohany amin’izany. “Ankoatra ny fizarana ny boky, manofana ireo tanora vonona hiroso amin’ny fisoratam-panambadiana ihany koa ny PCO mba hisorohana ny herisetra sy ny faharavan’ny tokantrano”.
Hisy ny atrika asa nasionaly ho fanatsarana hatrany ny torolalana ahafahana mampahafantatra ny andraikitra, ny adidy sy zo hananan’ny mpivady amin’ny volana martsa ho avy izao.