Nilaza fa manana mercure mena sy vola amina miliara i IBRAHIM MOHAMED TSIRANANA. Vehivavy 54 taona ary nisoloky teny Analamahitsy. Vokatry ny fitoriana voarain’ny biraon’ny polisy eny an-toerana nataona olona roa samihafa no nahafahana nisambotra azy. “Tsy nisaraka tamin’ny valizy miisa roa miloko mena sy mainty ity ramatoa ity. Nambarany fa misy mercure mena milanja 24 kilao ilay valizy mena ary vola euro kosa ilay mainty”, araka ny tatitra nataon’ny kaomisera misahana ny seraseran’ny polisim-pirenena, Alexandre Sylvain RANAIVOSON. Kanjo rehefa nosokafana ireo valizy ireo dia akanjo sy fanafody gasy no tao anatiny.
Mitady trano ho vidiana no nandrebirebeny an’ireo voasolokiny. Manomboka amin’ny telo miliara Ariary no miakatra no tadiaviny. “Nilaza anefa ny tenany fa efa nisy “villa” miisa folo mahery hono no efa nojereny fa tsy tiany”. Noho izany, nampanantena an’ireto olona ireto ny tenany fa raha mahita ilay trano tadiaviny dia omeny 4X4 sy hividianany trano. Roboka ireto voasoloky ka nampiantrano azy mandra-pahita izay notadiaviny.
Etsy ankilany, nilaza ilay ramatoa fa misy terantany vahiny izany hananany vola amina miliara saingy mila vola 30.000.000 hamoahana azy raha tsy izany tsy azo. Mbola nampiasainy ny “ody gasiny” indray ireo nitory azy satria nentim-pahatsorana ka ilay vola. Nanomboka teo anefa nanjavona ilay mpisoloky.
Natolotra ny fampanoavana ny alarobia voalohany ny volana febroary 2017 ity vehivavy ity ary VOAHANGINIRINA Veromanitra no tena anarany izay avy any Mahajanga.