Sambany amin’ ny tantaram-pirenena no nisy Profesora, mpampianatra mpikaroka eny amin’ ny Oniversiten’ Antananarivo no nanoratra boky ho an’ ny mpianatra ambaratonga fototra sy voalohany. Nahatsapa ny Pr Rakotomalala Minoson fa mila homanina dieny mbola kely ny ho avy ary mila tantsoroka izy ireo hanomanany izany ho avy izany. Izany indrindra no antony nanosika azy nanoratra boky mitondra lohateny hoe: » Afaka CEPE aho ka manomana sahady ny BEPC ».
Mirakitra torolalana mahasahana ny fiainan’ ny ankizy amin’ ny lafiny rehetra ny boky. Tsy toy ny boky misy fampiasana isaky ny taranja hanazaran’ ny mpianatra tena ity boky ity fa misarika mpianatra hahay hianatra sy hahazo tsara ny fampianarana omena azy dieny mbola kely . « Misy tokoa mantsy ireo mpianatra eny amin’ ny ambaratonga ambony no mbola mila atoro ny fomba fianarana. Tokony handeha ho anefa izany », hoy Pr Rakotomalala Minoson.
Tsy fampiasana matematika na fizika na fianarana gramara ny ao anatin’ ilay boky fa torolalana hahaizana mianatra ireny taranja ireny.
Natokana ho an’ ny mpianatra vao afaka CEPE sy kilasy faha-6, faha-5, faha-4 ary ny kilasy faha-3 hanala fanadinana BEPC ilay boky.
Manampy ny mpianatra hahay hifehy tena na hitondra tena amin’ ny fiainana andavanandro ihany koa ilay boky, hoy ny Profesora sady mpampianatra fizika eny Ankatso. Misy fiatraikany amin’ ny fianarany mihitsy ny fihetsika atao araka ny fanazavany. Ohatra amin’ izany, ny famerimberenana isan’ andro ka handrafetana fandaharam-potoana hentitra isan’ andro no fomba fianarana mahomby indrindra.
Ankoatran’ ny fampiasana « internet » sy solosaina, hahazo tombony ireo mpianatra hamaky ity boky ity satria manome fomba fianarana teny vahiny sy ny mahatsara azy. Mirary tokoa ny vidiny satria « natao ho takatry ny fahefa-mividin’ ny rehetra. Tsy ny hahazoana tombony no zava-dehibe fa ny hahafahana manonta boky vaovao sy hanamparitahako ny traikefako ka hananan’ ny firenena, tanora azo hianteherana sy hireharehana atsy ho atsy » araka fanazavan’ ny mpanoratra nandritra ny valan-dresaka natao tamin’ ny mpanao gazety ny zoma teo. 5000 Ariary ny vidin’ ny boky ary eny amin’ ny fivarotam-boky eto Antananarivo , Mahajanga, ary Antsirabe no hahitana azy.
Lynda A.
Rakotoarimanana Hantaniaina liked this on Facebook.
Loruse Fani liked this on Facebook.
Raym Rabe liked this on Facebook.
Ritso Andriamampihavana liked this on Facebook.
Frederic Rucot Rasendranihaja liked this on Facebook.
Nirina Lalao Claude liked this on Facebook.
Zo Lalaina Rakotonoely liked this on Facebook.
GaSy TsiKiaby liked this on Facebook.