Feno 21 taona ny « Protocole de Maputo » na ny fifanarahana mikasika ny sata afrikanina momba ny fiarovana ny zon’ny vehivavy. Tsy mbola nankatoa izany anefa i Madagasikara na dia efa nanasonia ny fifanarahana aza ny volana febroary 2004. Nankatoavin’ny fivoriambe faharoan’ny fihaonambem-pirenena an’ny Vondrona Afrikanina, ny 11 jolay 2003 tany Maputo ny « Protocole de Maputo ». Firenena 44 mpikambana ao amin’ny Vondrona Afrikanina (UA) no efa nankatoa izany ary 11 no tsy mbola nampihatra azy ity, ao anatiny ny firenena malagasy. Ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-21 taonan’ny fifanarahana sady ho fampatsiahivina sy fanairana ny tomponandraikitra isan-tsokajiny sy ny vahoaka malagasy fa misy fifanarahana afaka miantoka ny fiarovana ny zony dia nikarakara famelabelaran-kevitra narahina adihevitra niarahana tamin’ny tanora ny Forum Génération Egalité (FGE), ny 19 jolay 2024, teny Antanimena. Tanora avy amin’ny fikambanana maro sy mpianatra eny amin’ny oniversite miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana no nandray anjara tamin’izany. « Niara-niady hevitra ny tanora momba ny fahitany zareo ny Protocle de Maputo. Naneho ny heviny izy ireo ny antony ilaina ny fankatoavana azy. Tsy ny hevitry ny olon-dehibe ihany no ilaina fa raha ankatoavina ny Protocole de Maputo, amin’ny ho avy, dia ny tanora no hisitraka voalohany izany. Noresahana noho izany ny vokatsoa amin’ny fankatoavana izany amin’ny ho avin’izy ireo”, hoy i Raparaoelina Tendry, mpikambana ao amin’ny FGE. Anisany nanatrika ny fihaonana ny mpisolo vava Rakotonaivo Rindra amin’ny maha tanora azy. Nambarany fa efa misy ny lalàna miaro ny zon’ny vehivavy amin’ny herisetra fa fifanarahana tomombana indrindra na tsara indrindra ahafahana miaro ny zon’ny vehivavy ny Protocole de Maputo ka ilaina ny fampiharana azy eto Madagasikara.
Marihina fa 32 ny andinin-dalàna ao anatiny ary miresaka momba ny fiarovana ny zon’ny vehivavy . Rehefa mankatoa izany ny fanjakana dia manana andraikitra hanokana tetibola ahafahana miantoka ireo zon’ny vehivavy voalaza ao anatin’ny fifanarahana. Voaresaka ao amin’ny andininy faha-14 ohatra ny fiarovana ny zon’ny vehivavy momba ny fahasalamana sy fanarahamaso ny fiainana ara-pananahana. Anjaran’ny fanjakana no mandray fepetra araka ny tokony ho izy ahafahana miantoka ny fidiran’ny vehivavy amin’ny tolotra ara-pahasalamana sahaza, amin’ny sandany mirary sy amin’ny toerana akaiky azy, tafiditra ao anatin’izany ireo fandaharam-potoana hanomezana fiofanana momba ny fanabeazana sy ny fifandraisana ho an’ny vehivavy, indrindra ireo eny ambanivohitra. Anjaran’ny fanjakana ihany koa ny manolotra sampandraharaha misahana ny fandraisana an-tanana ny vehivavy mialoha sy aorian’ny fiterahany, misahana ny ara-tsakafo mandritra ny fotoana hitondrana vohoka sy ao anatin’ny fampinonoana ary miantoka ny fanatsaràna ny servisy efa misy. Ny tapany (c) ao amin’io andalana io no maha be resaka sy sakana tsy hankatoavin’i Madagasikara ity fifanarahana momba ny fiarovana ny zon’ny vehivavy aty Afrika ity. Miresaka momba fiarovana ny zon’ny vehivavy ara-pananahana, indrindra ny fanomezana alalàna ny fampitsaharana vohoka ara-medikaly, raha toa ka vohoka azo avy amin’ny herisetra ara-pananahana, na fanolanana, na firaisana ara-nofo mamoafady (inceste) na koa raha mampidi-doza ny fahasalamana ara-tsaina, ara-batan’ilay reny, na ny ain’ilay reny na ny ain’ilay zaza ao an-kibony, ny fitondrana vohoka io andalana 2c io.
Lynda A.