RADO RAMPARAOELINA: Efa vonona ny mpamatsy vola.

Samy nanovokovoka avokoa ireo kandida ben’ny tanana tamin’ny fanokafana ny fampielezan-kevitra. Tao ihany koa nangina, tafiditra azo anatin’ny paika ady daholo izany.

Ho an’Rado Ramparaoelina, kandida atolotry ny antoko TIM, laharana faha-03 eny amin’ny kaominina Ampitatafika, natomboka tamin’ny fotoam-pivavahana teny amin’ny Ekar Mb Cecile Tangaina izany.

Taorian’izany, namory ny vahoakan’i Tangaina , nisy ny fanentanana maro samihafa ary nandeha nitety ny kaominina Ampitatafika ny mpiara-dia rehetra aminy. Nofaranana tamin’ny fizarana vovon-kena avy eo.

Ben’ny Tanana teo aloha nahavita azy teo amin’ny kaominina Ampitatafika raha Rado Ramparaoelina. Maro ny foto-drafitra asa nitsangana izay tsy vitan’ireo ben’ny tanana nifandimby talohany, toy ny fanitarana ny jiro manerana ny fokontany, fanomezana rano fisotro madio, fanamboaran-dalana,…Niezaka nampandroso ny kaominina  hatrany izy na dia tsy zarizary aza ny tetibola nomen’ny fanjakana foibe.

Betsaka ihany koa anefa ny tetik’ asa mbola tsy tonotosa ka izany indrindra no nanosika azy nirotsaka ho fidiana. « Miainga amin’ny filan’ny vahoaka no ahafahana mampiroborobo ny tanana », hoy izy. Nandritra nitondrany ny kaominina, tsy nitsahatra nitady fiaraha-miasa tamin’ireo mpamatsy vola izy ka miandry azy ho lany dia hanomboka indray ny tetikasa fampandrosoana. Nambarany fa efa vonona ao ihany koa ireo fitaovana hanitarana ny jiro eny amin’ny fokontany  ary hamboarina ny lalana eny amin’ny faritra Ambohimangidy.

Natoky azy hatrany ny mpamatsy vola noho ny fahaizany nitantana ka izany indrindra no antony hitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta.

Lynda A.