Ramadany : Volana masina ho an’ny mpino silamo

Fotoan-dehibe ho an’ny mpino silamo ny volana masina Ramadany. Dingana iray tsy maintsy ataon’izy ireo isan-taona izany. Fifadian-kanina no ahafantaran’ny besinimaro azy fa « fifehezana » no tena ilazana ny ramadany. Misy teboka sivy mamaritra ny ramadany ary tafiditra ao anatiny ny fifadian-kanina sy ny tsy fisotroana rano. Tsy azo atao ihany koa manao firaisana ara-nofo mandritra ny volana ramadany. Manomboka mangiran-dratsy ka hatramin’ny mody masoandro mandritra ny 29 na 30 andro no hanatanterahana izany. « Fitazoman-tena atao ho an’ny Zanahary , ny tsy hanao zavatra voafetra mandritra ny fotoana voafetra ny ramadany ». Nambaran’ny fikambanana silamo Ummi eto amintsika androany ampahibemaso fa mety rahampitso na afaka ampitso no hanomboka ny volana ramadany. « Arakaraky ny fivoahan’ny singam-bolana no anombohan’izany », ny filohan’ny fikambanana Sheikh Rijaly. Ankoatra izany, fanompoana ny fifehezana ka mitaky fikasana, fikendrena an’Andriamanitra. Fotoanan’ny famelan-keloka ihany koa io volana iray io.

Nahitsin’ny solontena mpino ao amin’ny fikambanana fa tsy mahery fihetsika ny finoana silamo. Ny mpino ao anatiny no misy mahery fihetsika. Mifanohitra amin’ny dikany silamo mihitsy izany, hoy izy. Fandriam-pahalemana no dikan’ny silamo araka ny nambarany hatrany. Marihina fa 1.375.000 no isan’ireo manaraka ny fivavahana silamo ary 15% ny Malagasy dia mpino silamo avokoa.

Lynda A.