RATOLOJANAHARY MAHARAVO (DOUDOU): Misy fiantraikany amin’ny fampandrosoana ny fandikan-dalàna ataon’ny mpitondra fanjakana

 “Tsy misy fampandrosoana izany rehefa tany tsy tan-dalàna. Rehefa tany tsy tan-dalàna dia tsy misy  manome vola hanaovana fampandrosoana. Maninona no tsy mahavita lalana? Tsy mahazo vola satria tany tsy tan-dalàna. Mangataka vola hikojakojana lalana dia hanaovana zavatra hafa”, hoy i Ratolojahanary Maharavo na i Doudou, ny 13 jona 2024. Mbola niseho izany fandikan-dalàna izany nandritra ny fifidianana solombavambahoaka, araka ny fanehoan-kevitr’i Doudou, mpanohana  an’i Ranazamahasoa Christine, kandida solombavambahoaka tao Ambatofinandrahana. “Miha tafahoatra loatra ny fandikan-dalàna eto amintsika ary ny fanjakana ambony ihany no mamerimberina azy matetika”, hoy izy. Zavamisy tamin’ny fifidianana solombavahoaka ohatra ny fampiasana ny fahefam-panjakana na fitaovam-panjakana nandritra ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra. “Nahoana no tao anatin’ny andron’ny fampielezan-kevitra no nanao fitsidiham-paritra ny Filoham-pirenena? Araka ny lalàm-pifidianana anefa dia tsy azo ampiasaina ny fahefam-panjakana mandritra ny fampielezan-kevitra. Tompon’ny prérogative de puissance publique voalohany anefa ny Filoham-pirenena. Sady rain’ny Malagasy rehetra izy ka tsy tokony hizara zavatra ary tsy tokony hiangatra mandritra ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra. Fa maninona tapitra ny fampielezan-kevitra  dia tsy nanao fitsidiham-paritra intsony izy? Nanamafy ihany koa i Doudou fa tsy azo afangaro ny raharahan’ny antoko sy ny mpanatanteraka, araka ny andininy fahadimy ao amin’ny lalam-pifidianana. “Maninona no nampiasaina ny sarin’ny Filoham-pirenena, napetaka tamin’ny akanjo na afisy nanaovan’ny kandida IRMAR fampielezan-kevitra”, hoy i Doudou. Nilaza ihany koa izy  fa tsy azo ataon’ny olom-panjakana, toy ny governoran’ny faritra, lehiben’ny distrika ny manao fampielezan-kevitra kanefa nisy izany. Nametraka fitoriana momba izany eny amin’ny Fitsarana Avo momba ny lalam-panorenana momba ireo fandikan-dalàna ireo ny kandida Razanamahasoa Christine ary mangataka ny fanafoanana ny vato azon’ny kandida IRMAR.  Miantso  ny mpitondra fanjakana, toy ny HCC, ny mpitandro filaminana ihany koa i Doudou mba hanana fijery mahitsy fa hisy fiantraikany amin’ny ho avin’i Madagasikara ny fandikan-dalàna.

Lynda A.