Reniranon’Ikopa, Farihan’i Mandroseza, efa miha ritra avokoa. Ary raha mitohy ny tsy filatsahan’ny rotsakorana, ho karakaina tanteraka ireo toerana ireo. Vokany, afaka telo andro, ho tapaka ny famatsiana rano an’Antananarivo. Famaizan’Andriamanitra ve izao sa vokatry ny adalan’ny olombelona ihany? Simba ny tontolo iainana ka teraka fiovaovan’ny toetra andro. Raha tokony ho vanim-potoana ny orana izao, mifamadika amin’izany no mitranga.
Efa tokony ho tonga saina ny mpitondra fanjakana amin’izao tranga izao. Raha tena vonona hitondra tokoa ry zareo dia mitady vahaolana . fa tsy ilaozana manome tsiny ny hafa foana. Torak’izany ihany koa ny vahoaka.