21 taona androany no nahamay ny rova an’Antananarivo . Raha tsiahivina mantsy dia ny 06 novambra 1995 no nitranga izany. Mbola tsy fantatra ireo nahavanona ny loza. Etsy ankilany, nandeha ihany ny fanarenana ny lapan’ny Manjakamiadana. Toerana manan-tantara azon’ny rehetra tsidihina ny rova an’Antananarivo na dia niato azany fanamboarana azy. “Efa tamin’ny taona 2009 no nijanona ny fanarenana”, hoy ny Tale Jeneralin’ny kolontsaina sy ny vakoka ary ny fampiroboroboana ny asa tanana, Emiline RAHARIMANANA.
Tetikasam-panjakana ny fanamboarana ny Rova. Ny enti-manana no tena nampitsahatra ny asa. Raha ny fanazavany hatrany mantsy dia manodidina ny 18 miliara ariary eo ny teti-bola ilaina tamin’ny taona 2009. Manoloana ny vidim-piainana ankehitriny , niakatra avo dia avo io sora-bola io. Na dia eo aza izany, efa ny ampahany ny asa no vita.
Tamin’ny androny Ranavalona I no niorina ny Rova an’Antananarivo. “Anisan’ny endrikin’ny firaisankina na fifandraisana nisy teo amin’ny Malagasy ity farany satria nandray anjara tamin’ny fananganana ny lapa avokoa ny faritra rehetra teto amin’ny nosy”.
Ho fanamarihana ny fahatsiarovana ny nahamay azy, nanomboka ny 04 Novambra 2016 ka dia hetsika maro no nokarakarain’ny Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy na IKM Antsahavola mba ho tsy hanadinoana ny tantaran’ny hasin’ny toeran’ny mpanjaka Malagasy.