ROVAN’ANTONGONA: “Olona te haka na te hitazona fahefana no nahavanona ny loza”.

Midika ho fananana fahefana sy mahery ary afaka mibaiko ny fitazomana vangim-boay sy lefom-pohy. Tsy fitia te hamaky ny rova an’Antongona fotsiny noho izany ny fangalarana ireo vakoka ireo. Misy tanjona tiana ho tratrarina mifandraika amin’ny dikany ny vakoka tsirairay avy. Naneho ny fomba fijeriny mahakasika izany ny taranaka avy any Antongona. “Olona te haka na te hitazona  fahefana no nahavanona ny loza”, hoy i Heritiana  ANDRIAMANGA.

Nambarany fa fomba fijery ihany iny fa ny fanadihadiana no hanamarina izany raha tena manao ho vain-dohan-draharaha amin’ny fikarohana ny marina ny tomponandraikitra voakasika. Nanamafy ny tale jeneralin’ny kolotsaina sy ny vakoka ary ny fampiroboroboana ny asan-tanana fa efa eny am-pelan-tanan’ny fitsarana ny raharaha.

Mitaky ny hamerenana ireo vakoka very toy  lefona fibaikoana, ny basy lava, ody vitsivitsy niaraka tamin’ny vangim-boay  famonoana afo,  tamin’ny alakamisy 13 oktobra 2016 hifoha zoma  toy  lefona fibaikoana, ny basy lava, ody vitsivitsy niaraka tamin’ny vangim-boay  famonoana afo ity taranaka ity.