SALON DE L’ISPM: Hita taratra sahady ny asa miandry ireo mpianatra

Tsy miandry ny fahavitan’ny fianarana  ireo mpianatry ny ISPM (Institut Supérieur de Polytechnique de Madagascar) vao manao fampiharana ny lalam-piofanana nianarany. Noho izany, hetsika natao hampahafantarana ny voka-pikarohan’ny mpianatra,  manomboka ny amin’ny taona voalohany ka hatramin’ny taona fahadimy, isaky ny taom-pianarana ny   “salon de l’ISPM”. Natao ho tsidihan’ny daholobe ity hetsika nanomboka androany  6 aogositra 201 ity  ary  tsy hifarana izany raha tsy rahampitso 7 aogositra 2019, eny amin’ny Carlton Anosy.  Taorian’ny varavarana misokatra nokarakarain’ny ISPM, nampahafantarana ireo voka-pikarohana miisa 300 dia notsongaina manokana ny 180 tamin’ireo hampirantiana amin’ny  “salon”.

Nambaran’ny tale misahana ny fitantanan-draharaha sy ny ara-bola ao amin’ny ISPM, Razafindrahety Aimée fa famolavolana sahady ny sain’ny mpianatra  ho vonona hiatrika ny sehatry ny asa fa indrindra ny fampiharana ny rafi-pampianarana LMD (Licence-Master-Doctorat) ny fanomezana  vahana azy ireo hanao asa fikarohana.  Nilaza ihany koa izy fa ny hetsika tahaka izao no sehatra ahafahan’ireo mpianatra mampiseho ny fahaiza-manaon’izy ireo, hifaneraseran’izy ireo ary hitadiavana fiarahamiasa amin’ny daholobe, amin’ireo mpandraharaha, orinasa te hitrandraka ny voka-pikarohan’izy ireo.

Ankoatra izany dia fotoana manan-danja ho an’ireo mpianatra manana diplaoma bakalorea hahafantarana misimisy kokoa ny asa mifandraika amin’ny lalam-piofanana tiana ho rantovina ny “salon de l’ISPM”. Mbola manamafy ramatoa Razafindrahety Aimée fa misokatra ho an’ny rehetra ny  hetsika ary tsy handoavam-bola ny mitsidika izany.

Nirina R.