SALON DES ETUDES INTERNATIONALES : Ny tetibola ilaina raha hianatra any ivelany

Nanomboka androany 16 martsa 2022 eny amin’ny Akoor Digue Andohatapenaka ny “salon des études internationales”. Mbola mitohy rahampitso 17 martsa 2022 ity andiany faha-12 ity. Ny Mada Jeune no mikarakara izany. Natao hanampiana ny mpianatra te hanohy ny fianarany any ivelany ny hetsika toy ny any Etazonia, Frantsa, Maorisy, Chine, Inde, Allemagne, Côte d’Ivoire… Oniversite, ivon-toeram-pampiofanana momba ny tenim-pirenena maro, ivon-toerana manoro momba ny fianarana any ivelany 30 no mandray anjara amin’ny “salon des études internationales”. Ankoatra ny fampahafantarana ireo lalam-piofanana dia manoro ny mpitsidika ny dingana rehetra arahina, manomboka any amin’ny fikarakarana ny antotan-taratasy, ny tetibola ilaina ka hatrany amin’ny trano honenana  ireo mpandray anjara. “Mampiavaka ny hetsika ny fisian’ny ivon-toerana mampiofana momba ny teny  vahiny satria ao anatin’ny fiomanana  ahafahana manohy ny fianarana any ivelany ny fahaizana teny vahiny”, hoy i Andriamahatsangy Lahatra, tomponandraikitry ny Mada Jeune. Nambarany ihany koa fa mampiavaka ity andiany ity ny fahazoana diplaoma iraisam-pirenena kanefa eto Madagasikara ihany no mianatra.

Tetibola

Ankoatra fampirantiana dia misy ihany koa ny famelabelaran-kevitra hiresahana lohahevitra mahaliana ny mpianatra toy ny fomba hitadiavana asa, ny asa manodidina ny siansa sy ny teknolojia, ny dingana arahina raha hianatra any Etazonia… Raha ny fanazavan’ny ivon-toerana manampy ny mpianatra te handranto fianarana any Etazonia dia eo anelanelan’ny 9 000 dolara ka hatramin’ny 15 000 dolara ny saram-pianarana mandritra ny taom-pianarana iray raha misafidy ny hianatra eny amin’ny oniveristem-panjakana. 15 000 dolara ka hatramin’ny 35 000 dolara kosa raha ho an’ny oniversite tsy miankina. Arakaraky ny filàn’ny mpianatra sy ny vidim-piainana kosa ny fandaniana amin’ny fiainana andavanandro fa amin’ny ankapobeny dia  eo anelanelan’ny  7 000 ka hatramin’ny  11 000 dolara ao anatin’ny taona iray. Tamin’ny taona 2019 sy 2020 dia manodidina 180 ny tanora Malagasy nanohy ny fianarany tany Etazonia. Raha ny fanadihadiana natao tamina oniversite iray ao Maorisy dia mahatratra 6 000 dolara ny saram-pianarana ho an’ny taom-pianarana iray.

Lynda A.