Mpisehatra lehibe amin’ny fampandrosoana ny toekarena amin’ny firenena iray ny tambazotram-pifandraisan-davitra. Manohana ny « Salon international des acteurs économiques » (SIAE) ny Airtel Madagasikara ho fanampiana ireo mpisehatra ara-toekarena mba hitondra fampandrosoana, indrindra eto Madagasikara. Nanomboka ny 13 oktobra 2022 ary tsy hifarana raha tsy ny 16 oktobra 2022 eny amin’ny CCI Ivato ny SIAE. 200 ny trano heva manao varotra fampirantiana mandritra ny efatr’andro. « Tolotra ampahafantarin’ny Airtel mandritra ny hetsika ny FastConnect. Tolotra internet tsy manam-petra ary haingam-pandeha izy io ary mifandraika amin’ny fahefa-mividin’ny tsirairay », hoy Ratsimbarison Anna, tomponandraikitrin’ny serasera eo anivon’ny Airtel nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny SIAE. Nambarany fa natao indrindra ho an’ny orinasa na tetikasa vao niforona ny FastConnect. “Tsy midika anefa izany fa tsy mety amin’ny olon-drehetra fa afaka mampiasa azy avokoa izay liana amin’ny tolotra”, hoy izy.
Fandraharahana any ivelany
Manana tombony ireo mpitsidika ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny mpisehatra ara-toekarena satria mampahafantatra azy ireo ny tombontsoa amin’ny fampiasana ny fikirakirana vola amin’ny alalan’ny finday ihany koa ny Airtel. “Ao anatin’ny vanim-potoana fampiroboroboana ny fisitrahan’ny rehetra mikirakira vola isika izao. Tombontsoa amin’ny fampiasana ny Airtel Money ohatra ny fahafahana mikirakira vola na aiza na aiza aleha noho ny fisian’ireo cash point 50.000 manerana ny Nosy”,hoy hatrany Ratsimbarison Anna. Eo ihany koa ny fahafahana mikirakira vola tsy hita maso mba ialàna amin’ny tsy fandriam-pahalemana sy manaramaso ny fitantanana vola. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitrin’ny serasera eo anivon’ny Airtel fa efa manana tolotra ahafahan’ny orinasa mandoa ny karaman’ny mpiasa ny Airtel Money. Marihina fa 200 ny trano heva manao varotra fampirantiana eny amin’ny SIAE atao eny amin’ny CCI Ivato. Ao anatin’ny fandaharam-potoana mandritra ny efatr’andro ny atrikasa hifandimbiasan’ny mpandray anjara izay miompana amin’ny torolalana atao ahafahana mamaly ny tolotra any ivelanyHh Ankoatra izany diaAnkk aa sy ny fihaonana BtoB hifandraisan’ireo samy mpandraharaha na mpitantana orinasa.
Lynda A.