Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly ny fankalazana ny faha roapolo taona nisian’ny sampan-draharaha misahana ny fanadiovana ny Tanana an’Antananarivo Renivohitra, SAMVA. Nisy ny varavarana misokatra fampahafantarana ny andraikitry ny SAMVA sy hanentanana ary anoroina hevitra ny vahoaka manoloana ny fanadiovana ny tanana ary tsy hifarana izany raha tsy rahampitso. Ny fandaminana ny toerana hanatobiana ireo fako eny Andralanitra no vina manaraka ho an’ity orinasa ity. Efa nisy ny fikarohana natao hanenana ny fako eny an-toerana ary mbola azo hanariana izany mandritra ny dimy taona.
Tokony hisy fandaharan’asa mifanindran-dalana amin’io tetikasa io anefa hoy ny Tale Jeneralin’ny SAMVA, Nomarihiny fa tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana laharam-pamehana ny fako rehetra na hahodina ho lasa akora fampiasa.
Vina goavana izany,hoy hatrany izy. Antenaina fa hisy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpamatsy miaraka amin’ny SAMVA.
Anisany olana sedrain’ny orinasa ny tsy fahampian’ny fitaovana. Araka ny fanazavana azo, efa nandrafitra tetikasa mahakasika izany ity farany ary hoentina eny anivon’ny Ministera mpiahy azy.
Marihina fa eny amin’ny DLC Anosy no anatanterahana ny ivon’ny fankalazana.
Lynda A.
Lynda Andriatsitonta liked this on Facebook.