Vitsy ny olona no manao fitiliana ny tsimoka aretina VIH/SIDA. Ny tahotra no antony voalohany mahatonga azy tsy hanatanteraka izany. Betsaka ihany koa tsy mahafantatra fa mitondra ilay tsimoka aretina ka anisan’ny mampiakatra ny tahan’ny olona voan’ny SIDA izany. Etsy ankilany, tsy mbola mahenika ny tobim-pahasalamana manerana ny Nosy ny fitiliana io aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo io. Manoloana izany indrindra ny fijoaran’ny SE/CNLS mba hanaparitahana ny fitiliana ny VIH/SIDA isaky ny tobim-pahasalamana. Eo ihany koa ny fanentanana ny oloana hanao izany fitiliana izany mba hahaizany mifehy ny tenany ka tsy hiparitaka amin’ny hafa ilay tsimoka aretina.
Raha ny loharanom-baovao azo, ny taona 1987 no nahafantarana ny olona voalohany nitondra io tsimoka aretina io, teto amintsika. “Amin’izao fotoana izao, efa mahatratra hatrany amin’ny 1829 any izao ny isan’ireo Malagasy voan’ny VIH/SIDA”, hoy ny Tonia mpanatanteraky ny SE/CNLS, Harivelo ANDRIANIAINA.