SEMPAMA: « Hamerina indray ny hasin’ny mpanabe sy ny mpampianatra ».

Sehatra iray be kolikoly indrindra ny ao amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena araka ny fanazavana azo. Eo amin’ny fampidirana mpampianatra ho mpiasam-panjakana no tena voasivana amin’izany. « Betsaka ireo mpampianatra efa an-taonany maro no nampianatra kanefa mbola tsy tafiditra mpiasam-panjakana. Misy ireo voaray nefa na dia ny dingana ho mpampianatra FRAM aza tsy nandalovany », hoy ny filohan’ny SEMPAMA na Sendikan’ny Mpanabe sy mpampianatra eto Madagasikara, Claude Raharovohitra risoriso avokoa no mahatonga izany. Nandray andraikitra ny sendika manoloana izany tsy fanjariana izany. Nisy ny fanoloana ny rafitra eo anivon’ny sendika hanomezana sy hamerenana ny hasin’ny mpanabe . Taorian’ny fihaonam-be ny sendika tamin’ny 05 Oktobra 2014, no namolavolana io fanavaozana rafitra io. Nohatsaraina ihany ny rafi-panabeazana mba hifanaraka amin’ny filan’ny firenena. Ankoatra izany, handray an-tanana ireo mpampianatra mbola tsy tafiditra mpiasam-panjakana ny sendika. Tsy manaiky intsony ny anaovana fitaovana politika ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ihany koa izy ireo, araka ny tapaka tamin’ny fivoriam-be. Marihina fa nisy ny fihaonan’ireo mpikambana niaraka tamin’ny talen’ny kabinetra ny minisitera. ny asabotsy 13 jona 2015 lasa teo. Nanatrika tao ihany koa ny solon-tena isam-paritra ary novoaboasina tao ireo olan’ireo mpampianatra sy ny hetahetany.

Lynda A.