SENDIKAN’NY MPAMPIASA SY MPIASA MPANDOA LATSAKEMBOKA: Mangataka tsy misy fepetra ny fisokafan’ny biraon’ny CNAPS sy fanovàna rafi-pitantanana

Mametraka olana maro ho an’ny mpanjifa ny fitokonan’ny mpiasan’ny CNAPS. Mangataka  ny fisokafan’ny birao tsy misy fepetra ny mpiaramiombon’antoka mpandoa latsakemboka. « Mampametraka fanontaniana satria ny mpampiasa sy mpiasa no mampidi-bola ao amin’ny CNAPS. Miantso ny fanjakana hifehy ny raharaha satria manana andraikitra lehibe amin’izany izy », hoy i Rajaona Thierry , Filohan’ny Vondron’orinasa eto Madagasikara (GEM). Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny sendikan’ny mpampiasa sy mpiasa mpandoa latsakemboka ao amin’ny CNAPS, ny talata 01 Aogositra 2023 teny Ambohijatovo. Nambaran’ny Filohan’ny GEM fa tsy mitombona ny fitokonana ataon’ireo mpiasan’ny CNAPS.  » Tsy manaraka fombafomba satria tsy nanome fe-potoana fampitandremana ireo mpiasa. Mbola mandray karama ireo mpiasa mpitokona ». Nilaza ihany koa i Andriamanana Tiana, mpitarika ny tolon’ny mpiasa eto Madagasikara (Sendika TM) sady mpandraharaha mpiandraikitra « Conférence des Travailleurs de Madagascar » (CTM) fa tsy mpandoa vola ao CNAPS akory ireo mpiasa mitokona nefa ireo no misakana tsy hisitrahan’ny mpandoa latsakemboka ny zony. Fampisamborambola Tsiahivina fa famoahana ny Tale Jeneraly mpisolo toerana (DGpi) tany am-ponja ny antony nahatonga ny grevin’ny mpiasan’ny CNAPS. Mbola nitohy ny fitokonana na dia efa nivoaka aza DGpi. Fanatsaharana ny tsy fahafahan’ny Tahirim-pirenena mampiasa vola amin’ny fikojakojana ilaina amin’ny andavanandro; fandaniana be loatra momba fampisamborambola no antony. Araka ny fanazavan’i Andriamamonjiarisoa Noro,  mpikambana ao amin’ny Filankevimpitantanan’ny CNAPS fa  tsy mbola tafaverina hatramin’izao vola nalain’ny Air Mad, SEIMAD, MGH…Ny an’ny kaominina Antananarivo  Renivohitra irery ihany no mba mamerina ara-dalàna ny vola nalainy, hoy izy. Mitaky hanovana ny rafi-pitantanana mifehy ny CNAPS ihany koa ny sendikan’ny mpampiasa sy mpiasa mpandoa latsakemboka. « Misy tsy mety ny firafitry ny fitantanana. Mpikambana feno amin’ny fivondronan’ny fiahiana ara-tsosialy eto Afrika i Madagasikara. Araka torolalana nomen’ny  CIPRES fa tokony ny mpiasa sy mpampiasa ihany no mitantana ny vola. Misy didy aman-dalana tokony ho entina eny amin’ny Antenimierampirenena mba hifanaraka amin’ny rafitra takian’ny CIPRES ny an’ny CNAPS », hoy hatrany i Rajaona Thierry.

Lynda A.