Mandray anjara amin’ny fampandehanana ny fandaharan’asa USAID Hay Tao ny SIF na Sehatra Iombonan’ny Fananan-tany. Zava-kendrena ao anatin’ity fandaharan’asa ity ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fanatsarana ny velontenan’ny mponina. Anjara asan’ny SIF amin’izany ny fisarihana ny sain’ny mpitondra fanjakana sy mpisehatra rehetra amin’ny fananan-tany ny zava-misy ho fanatsarana ny politikan’ny fananan-tany. Anisany fitaovana lehibe hampahafantarana izany ny haino vaky jery aman-tranokala ka nanapa-kevitra ny SIF fa hizara traikefa amin’ny mpanao gazety. Ny 21 ka hatramin’ny 24 jona 2021 tany Ampefy, faritra Itasy dia nanome fiofanana momba ny fanadihadiana lalina eo amin’ny sehatry ny fananan-tany ny SIF. Lohahevitra noresahana nandritra ny fiofanana ny fananan-tany amin’ny ankapobeny sy ny anjara toeran’ny fananan-tany amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Mpanao gazety am-polony no nanatrika izany. Hampihatra ny fahalalana azony avy hatrany izy ireo satria hisy ny fanadihadiana lalina ho ataon’izy ireo araka ny lohahevitra nosafidian’ny vondrona tsirairay.
Lynda A.