SOAMAHAMANINA: Naka ny fitaovana aza no nataon’ireo sinoa.

Tsy marina velively ny fanambarana nataon’ireo andian’olona fa miverina mametraka ny fitaovana entina hitrandrahana ao Soamahamanina ny orinasa JIUXING MINES. Mifanohitra amin’izany aza no nitranga satria ny volana may sy jona 2017 teo, nahazo fahazoan-dalana naka ny fitaovana saika ampiasaina  avy any amin’ny fokontany sy ny kaominina  ireo sinoa mpitrandraka, araka ny fanazavan’ny Ben’ny Tanana ao an-toerana, Theophile RABESAHALASOA.

Voamarina nandritra ny fidinana ifotony nataonay omaly 07 jolay 2017 izany. Trano lay ahitana fandriana, vy be tsy zaka bataina sisa no hita ao amin’ny “base vie”. Nambaran’ny mpiambina iray fa tsy hisian’ny fandikana vilana, tsy nitondra fiara vaventy hitatitra ireo fitaovana tsy zaka bataina  tao amin’ny toeram-pitrandrahana mihitsy ny orinasa.

Efa miverina amin’ny laoniny ny fiainan’ny mponina ao Soamahamanina. Misy indray ireo te hanakorontana  izany. Manamporofo izany ny famafazana vaovao tsy mari-pototra akory.