SOAVINANDRIANA: Anarivony no ho potika asa fivelomanana.

Velon-taraina ny tokantrano 300 isa nanajary ny tany mirefy 559 ha, ao amin’ny Distrika Soavinandriana. Tao anatin’ny 47 taona izy ireo no nanamainty molaly ny tany  tamin’ny alalan’ny fambolena  legioma sy voamaina kanefa dia izao nahazo didy manilika azy ireo hiala amin’ny tany nohajarian’izao. “Ny 12 jolay 2017 lasa teo no nahavoary  izany taratasy fandroahana izany”, hoy Ramarcel RAMILIJAONA, solontenan’ny mpanajary ny tany.  Nambarany fa efa voavoly avokoa ny tany kanefa dia izao terena hiala tsy misy hatak’andro izao. Miaina ao anatin’ny tebiteby ireto mponina noho ny  tranga mahazo azy ireo.

1500 olona no mivelona amin’io tany io. Araka ny fanazavana, Ministra tamin’ny andron’ny repoblika faharoa no miady ny tany amin’izy ireo eny amin’ny tribonaly.   Mitaky ny fampiharana  ny ara-drariny sy ny ara-dalana ireo lasibatra. Tsy nanajary ny tany akory io ministra io.

Nohararaotina ny tsy fahalalan’ny mponina. Tsy nahavita nikarakara  ny tany ho ara-dalana ireo mponina. Kanefa raha ny politikan’ny fananan-tany sy ny fanambin’ny Filoham-pirenena no jerena dia tokony hananana ny rarin’izy ireo satria  manaraka ny fepetra takiana amin’ny fanajariana ny tany.

Marihina fa tanin’ny mpanjanaka io tany io ary raha ny lalana dia miverina amin’ny fanjakana izany.